Amparafaravola: olona telo natao takalon’aina

Miverina indray ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Amparafaravola. Nitrangana
fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Morarano chrome, ny zoma teo.

Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tao
an-toerana ny andian-jiolahy nirongo basy mahery vaika ka nampihorohoro ny tompon­trano sady nitady vola. “Efa-dahy ireo niditra tao amin’ilay trano raha niambina teny ivelany kosa ireo namany hafa”, hoy ny zandary mpanao fanadihadiana. Nisy tamin’ireo olon-dratsy koa niezaka nanafina ny tarehiny teo amin’ny varavarana mba tsy hamantarana azy. Raha manambana basy ireo lasibatra kosa ireo hafa. Nandritra izay, nanadihady ny tompon-trano ireo jiolahy.
Tafaporitsaka anefa ny lehilahy iray saingy voasambotr’ireo olon-dratsy niambina teny ivelany ka nampandadi­ziny niverina niditra ny trano indray. Vokany nofatoran’ire­tsy mpanafika ny olona efatra. Vehivavy 24 taona sy lehilahy iray vadiny. Ny tovolahy iray 15 taona tsy salama, zandrin’ilay vehivavy sy ny lehilahy iray mpiambina ny ombim-pianakaviana.
Tafaporitsaka…

Ora vitsy taorian’izay tafa­tsoaka ilay lehilahy mpiandry omby. Tsy salama saina izy saingy votsotra teny am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola manara-dia an’ireo dahalo ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Mihazo an’Anjozorobe izy ireto, raha ny angom-baovao. Fantatra ihany koa fa niantso ny havan’ireo takalon’aina ireo jiolahy mba hanomana vola, hamotsorana ireo havany saingy tsy mbola nanonona sora-bola izy ireo. Tsiahivina fa tsy vao izao ireto fianakaviana ireto no lasibatry ny asan-jiolahy toy izao. “Tran­gana fakana an-keriny fanintelony natao azy ireo izany ary miafara amin’ny famoi­zana aina mihitsy”, hoy ireo mpiara-monina. Ankehitriny, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny mponina any an-toerana mba hi­jery akaiky ny tsy fandriampahalemana izay nahazo va­hana tao anatin’ny fotoana vitsy.

Henintsoa Hani

Partager sur: