Maty tsy tra-drano ilay lehilahy nitondra moto marika Kymco nifatratra tamina kiady (balise) tao Ambodivoara Igararana, kaominina ambanivohitr’i Miarinarivo II, omaly tamin’ny mitataovovonana (RN1), PK 95+300. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Miarinarivo, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka tsy nahafehy ny familiana intsony ilay niharam-boina. Vokany, nifatratra tao amin’ity kiady amin’ny sisin-dalana ity avy hatrany ny moto nentiny ka nivarina tany an-tanimboly amin’ny sisiny havanana. Mafy ny dona nataon’ilay mpitondra moto satria tapaka mihitsy ilay kiady notrongisiny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Potika tanteraka koa ilay moto nentiny. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary niaraka tamin’ny dokotera, naterina ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly CHRR Itasy ny razana miandry ny fianakaviany haka azy. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy rahateo teny aminy ka isan’ny nampanano sarotra ny fitadiavana ireo olona akaiky azy.
Jean Claude