Fikaonandoham-pirenena: miroso amin’ny fanofanana santatra eny amin’ny distrika ny FFKM

Anatin’ny fanatanterahana tanteraka ny dingana ho an’ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Misantatra izany ny fampiofanana eny amin’ny distrika.

Nanomboka omaly hatramin’ny 30 oktobra ny fampiofanana santatra amin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanambarana nampitain’ny mpandrindra nasionaly tarihin’i Amade Joseph, ny faran’ny herinandro teo. Distrika 6 nofidina iray isam-paritany no ha­naovana an’izay. Distrika Ma­hajanga II, ho an’i Mahajanga, ny 5-6 oktobra; distrika Ma­nakara, Faritra Fitovinany, ho an’i Fianarantsoa, ny 5-10 oktobra; distrika Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro ho an’i Toamasina, ny 12-17 oktobra; distrikan’i Toliary I, Faritra Atsimo Andrefana ho an’i Toliary, ny 12-13 oktobra; distrika Sambava, Faritra Sava ho an’Antsiranana, ny 19-22 oktobra; distrika Miarinarivo Faritra Itasy, ho an’Antanan­rivo, ny 19-22 oktobra.
Hitohy ny fampiofanana faobe manerana ny distrika 114, rehefa tonga ny fitaovana fototra (tablettes miisa 5 200) avy amin’ny priomatiora amin’ ny faran’ny volana oktobra. Amin’izany, hiditra amin’ny fampiofanana ireo mpiandraikitra eny ifotony, eny amin’ny distrika rehetra sisa manerana ny Nosy. Aorian’izay, hanomboka ny dinika ifotony manerana ireo fokontany 19 400 ma­nerana an’i Madagasikara. “Tsy fikarakarana fivoriana fotsiny no tanjona fa ny hanorina kolontsaina vaovao momba ny fifanakalozan-kevitra eto amin’ ny firenena”, hoy ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ny amin’izany. Kolontsaina izay mihaino vao manapa-kevitra, mila ma­hatakatra vao mitsara, mifampiresaka vao mifanditra, mitandro ny soa iombonana vao mitandro ny soa manokana. Ny fanavaozana ho fanorenana vaovao an’i Madagasikara dia tsy tokony hifantoka amin’ny fanavaozan-drafitra ihany, fa eo koa ny lafiny moraly, sosialy, ny maha olom-pirenena ary ny ara-panahy.

R. Nd.

Partager sur: