Hamafisina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondrona Banky aziatika (AIIB). Hojerena manokana ny hanarenana ny zotra an-dalamby sy ny angovo madio.
Nihaona manokana tamin’ny filohan’ny Fikambanan’ny Banky aziatika ho an’ny fampiasam-bola sy ny fotodrafitrasa (AIIB), Ramatoa Zou Jiayi, ny delegasiona malagasy notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny 29 septambra teo. Nifanandrify tamin’ny fivoriambe isan-taona, andiany faha-11, fanaon’ny AIIB izany. Nojerena ny laharam-pahamehana hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara, hiaraha-miasa amin’ny AIIB. Voakasik’izany ny sehatry ny fitaterana, ny fanorenan-trano, ny angovo sns. Notsipihin’ny minisitra, malagasy, fa anisan’ny sakana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa. Izay no mahatonga ny governemanta manao ho laharam-pahamehana ny fampiasam-bola amin’ny fotodrafitrasa, hanohanana ny famokarana sy ny sehatra tsy miankina.
Ho an’ny sehatry ny fitaterana, hisy ny famatsiam-bola hiarahan’ny AIIB sy ny Banky iraisam-pirenena. Maminavina hamatsy vola 100 tapitrisa dolara ny AIIB. Efa mandroso ny famolavolana ny lafiny teknika amin’ny lafiny fitaterana an-dalamby.
RN9 sy angovo maitso
Tetikasa faharoa goavana ny fanohizana ny fanarenana ny lalam-pirenena RN9, izay efa nanohana ny fanomanana izany ny AIIB. Nandroso tetikasa goavana ihany koa i Madagasikara amin’ny hampiroboroboana ny angovo maitso. Hiantsoana mpampiasa vola iraisam-pirenena maro ity tetikasa ity. Tanjona ny hampitomboana ny toekarena sy ny Malagasy misitraka angovo madio.
Nanamafy ny fahavononan’ny AIIB hiara-kiasa amin’i Madagasikara ny filohany, Zou Jiayi. Mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity i Madagasikara nanomboka ny taona 2018. Araka izany, nampiakarina ho 25% ny famatsiam-bolan’ireo firenena tsy ao anatin’ny kaontinanta Azia, toa an’i Madagasikara, raha 15% teo aloha.
Njaka Andriantefiarinesy





