SOLIKA FANDREHITRA: mananika ny 4 000 Ar ny vidin’ny litatra

Niakatra 200 Ar ny litatry ny solika fandrehitra, nanomboka ny 5 oktobra teo. Lasa 3 910 Ar izany raha toa ka 3 710 Ar tamin’ny septambra. Tsy niova, nijanona ho 5 300 Ar ny vi­din’ny lasantsy (SP 95) sy ny gazoala (Go), 4 860 Ar ny litatra. “Tokony ho voatazona hatramin’ny volana desambra ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, nandritra ny fandaharana nataony tao amin’ny fahitalavi-pirenena, ny alahady teo. Tsy azo ihodivirana ny fidangan’ny vidim-piainana raha toa ka miakatra ny vidin-tsolika. Mety hisy kosa ny fiovana manomboka ny volana janoary 2027. Anisan’ny tolo-kevitry ny FMI ny hanohizana ny rafitra fanitsiana ny vidin-tsolika manomboka ny taona 2027. Marihina fa nohavaozina koa ny fanafarana solika ho an’i Madagasikara manomboka ny 1 janoary 2027 ka hatra­min’ny 30 jona 2027. Tapitra amin’ny volana desambra 2026 ny fifanarahana, ankehitriny, taorian’ny fanitarana azy ho iray volana.
Vahaolana noraisain’ny fanjakana koa ny fanafarana solika any Nizeria, hialana amin’ny ady any Moyen-Orient. Vina apetraka ihany koa ny hampihena ny fampiasana solika ho an’ny Jirama ka hampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina.

Henintsoa

Partager sur: