Vaovao tambatra

Miisa 28 ny mpanangom-bolamena nandoa mivantana ny tamberim-bidy tany Antanimbary Maevatanàna, ny 27 septambra teo. Tany Betsiaka Ambilobe no nanombohana ny fandraisana eny ifotony ny tamberim-bidy amin’ny volamena, nahitana ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny Ivontoerana misahana ny volamena, ny biraom-paritra, sns.

Efa aloa ny onitra ho an’ireo manana trano voatery tsy maintsy arodana noho ny tetikasa Fly Over eny Anosizato. Io no anisan’ny nambaran’ny Praiminisitra tao amin’ny TVM, ny alahady teo. Ireo tompony ihany no mandrava ny trano. Eo am-panomanana ny asa ihany koa ny orinasa hanangana ny tetezana vaovao.

Natao ny 2 oktobra teo ny fandraisana farany (réception définitive), ny asa fanamboaran-dalana ta­min’ny taona 2025 tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Voakasik’izany ny Avenue des Comores, ny lalana Serbie, lalana Henri Paul, ny Boulevard Marcoz, ny RN 54 avy eo amin’ny Bonnet hatrany amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy. Tontosa ihany koa ny fandraisana vonjimaika ny RNP 4 (PK 556-PK 565), mampitohy an’Amperimahitsy sy Antanimalandy Sotema.

Partager sur: