Nanomboka omaly ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro sy ny poliomelita, miaraka amin’ny fizarana vitamina A manerana ny faritra 23, ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 59 volana. Efa nisy koa ny fifaninanana natao teny anivon’ny fokontany teto Antananarivo ho fampakarana ny tahan’ny fandrakofana vaksiny.
Nampanao fifaninanana hanafainganina ny fanaovam-baksiny mandritra ny hetsika manokana sy hanamafisana ny fanaovam-baksiny mahazatra ato amin’ny fari-piadidiam-pahasalamana Antananarivo Renivohitra ny mpitantana eny ifotony. Iarahana amin’ny Unicef sy ny Gavi izany. Nanomboka ny volana marsa hatramin’ny volana mey lasa teo ny hetsika, teny anivon’ny fokontany. Fokontany miisa 51 sy CSB 17 no nandray anjara ka ireo manana taha ambany amin’ny fandrakofana no niantefana. Niara-niasa ny sefo fokontany 51 sy ny lehiben’ny secteur 275 ary ny mpanentana ara-pahasalamana nahatratra 285. Nandritra ny telo volana, nitsirika ireo tokantrano manan-janaka latsaky ny 5 taona mety ho tsy nahavita vaksiny hatramin’ny farany na koa tsy nisitraka fatram-baksiny mihitsy ireo mpisehatra rehetra ireo. Nitohy tamin’ny fanentanana sy fiarahana mandeha any amin’ny toerana fanaovam-baksiny ny asa.
Fokontany telo isam-bolana, sahanin’ny mpanentana ara-pahasamana 89, no nisongadina tamin’ny vokatra nandritra io fe-potoana io. Natao ny hetsika satria ny faritra Analamanga no nahatiliana zaza maro tsy mbola nahazo fatram-baksiny mihitsy (zero dose). Nanomboka ny 2020 hatramin’ny taona 2024, nahatratra 176 943 ny zaza tsy vita vaksiny hitan’ny tomponandraikitra. Vokatry ny ezaky ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny mpiray ombon’antoka, zaza 68 344 nahazo vaksiny hatramin’ny volana jolay 2025. Ho fanohizana ny ezaka no anton’ny fifaninanana amin’ny samy fokontany hanatrarana ny tahan’ny fandrakofana ho 80%. Zava-dehibe ny fanentanana ny ray aman-dreny sy ny mpikarakara zaza hitondra ny ankizy hanao vaksiny mahazatra eny amin’ny tobim-pahasalamana. Maro ny aretina (kitrotro, poliomelita, kohadavareny,tetanosy…) azo sohorina amin’ny fanaovam-baksiny izay maimaimpoana eny amin’ny toeram-pitsaboana. Natolotra, omaly, ny lokan’ireo fokontany mendrika, nifanindran-dalana tamin’ny fisantarana ny fanaovam-baksiny.
Vonjy





