Amerikanina: entina eny Ankatso ny Festival Freedom

Manome sehatra an’ireo tsy afaka nisitraka ny “Festival Freedom” tetsy Analakely indray ny masoivoho amerikanina. Hotanterahina ny zoma 9 oktobra izao, eny amin’ny American Corner Antananarivo izany. Mampiantrano ny hetsika ny oniversiten’Antananarivo. Ho hita amin’izany ny tantaran’i Etazonia sy ny fifandraisany amin’i Madagasikara tao anatin’ny 160 taona. Ny torolalana momba ny fanohizana fianarana any Etazonia hiarahana amin’ny Education USA Madagascar. Hisy ny horonantsary amerikanina arahina adihevitra «Akeelah and the Bee», Slam poezia, mozika…
Ankoatra izany, ny fampisehoana teknolojia sy fanavaozana Trivia quiz, soradihy Line Dancing ary photobooth samihafa…
Hisy ny tafatafa iarahana amin’ireo Malagasy mpianatra nahazo vatsim-pianarana tany amina oniversite amerikanina sy fihaonana amin’ireo masoivoho vaovaon’ny Nouveaux Horizons.
Fotoana hahafahana misokatra sy mahafantatra an’i Etazonia sy ny tantarany io zoma io. Fisitrahana ireo karazana tolotra sy fihaonana mivantana amin’ireo amerikanina mpikarakara sy ireo efa nisitraka ny fampiofanana tany amin’ity firenena matanjakana ity ihany koa io.

Tatiana A

Partager sur: