Indray mijery

Natomboka tao amin’ny fokontany Andohatapenaka I sy Ambodihady-Ambohimanarina, ny hetsika asa atakalo sakafo (VCT) entina manadio ireo tatatra sy lakandrano ary fiomanana mialoha amin’ny fotoam-pahavaratra. Mandray anjara mivantana amin’ny asa ireo mpisitraka, indrindra ny vehivavy sy ny olon-dehibe.

Fiaramanidina A400M an’ny Tafika ana habakabaka frantsay no nitondra tany Diego-Suarez ireo entana milanja 3,7 taonina avy amin’ny fikambanana mpanao asa soa. Fitaovana ara-pitsaboana sy informatika, fitafiana, kojakojam-pianarana, kilalao ary boky, fanomezana nangonin’ireo fikambanana sy ONG efatra avy any La Réunion, ho fanohanana ireo mpiara-miombon’antoka aminy eto Madagasikara.

Natao teny amin’ny FLSH ny fampahafantarana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy ny Revio Hiratra laharana fahafito. Misy pejy 234 mirakitra fikarohana momba ny haiteny sy haisoratra. Sehatra iray itahirizana sy ifampizarana fahalalana ary hanohanana ny fampianarana sy fikarohana ao amin’ny Zanatsehatra Malagasy ny Hiratra. Natao koa ho mari-pahatsiarovana sy fankasitrahana ny profesora Rajaona Siméon.

Partager sur: