Eo ny vahoaka mitsara dieny izao…

Mafanafana ratsy toy ny ratsy ataon-kavana. Izay ny politika amin’izao? Tsy mahagaga, tsy atao mahataitra… Ao anatin’ny taom-pifidianana, miakatrakatra ho azy ny maripana amin’ny adihevitra sy hetsika politika. Miady sy misisika mafy handemena ny fitondram-panjakana, ohatra, ny mpanohitra. Misy tonga amin’ny karazana famendrofendroana, fanozongozonana, fanakorontanana…
Atao avokoa ny karazana hetsika hahatongavana amin’ny fanatanterahana ny fitakiana? Toy ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana, fanovana ny mpikambana amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana… Na izany aza, atrehina sy iomanana ihany ny fifidianana. Ady fiady ny paipaika sy kajikajy politika.
Tsy mipetra-potsiny amin’izao ny fitondrana: manao izay azo atao rehetra itanana ny fahamarinan-toerana politika hatramin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasana. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fitoniana sy filaminana, ny fahazoana mamita ny fanamby, fitanana ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny maha olom-boafidy ny tena… Hanao ahoana mandra-pahatonga ny fifidianana?
Arakaraka ny fandehan’ny fotoana no mampahery vaika sy mampitombo an-dalana ny trangan-javatra etsy sy eroa amin’izany? Mihamanatona ny fifidianana, tsy miandry ny tsy afaka na tsy te handeha. Izay no mampikoropaka ny sasany amin’ny karazana paipaika sy kajikajy politika rehetra? Nefa ny vahoaka ihany no hetsehina sy atao fitaovana amin’izany. Ho tonga hatraiza?
Ho an’ny vahoaka, fiatrehana ny fiainana andavanandro aloha no zava-dehibe sy mahamaika. Eny, na eo aza ny fisoratana anarana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Mafy sy manahirana amin’izao ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, ny tsy fisian’asa, ny ady tany etsy sy eroa tsy mety milamina, ny taom-pamokarana mampanahy be ihany…
Mbola ho azo amin’ny adilahy politika ve ny vahoaka? Na hamitan-tena amin’izany… Tsy nafitsoky ny mpanao politika ve no anisan’ny fototra sy fositra amin’izao fahantrana lalina sy maharitra izao? Eo ny vahoaka mitsara dieny izao. Mahavaha olana ve ny adilahy politika amin’ny fahefana? Na mitondra inona sy hatraiza… Tsy efa mba ahazoana lesona ny lesoka hatramin’izay?

R. Nd.

Partager sur: