Belo Tsiribihina: Angovo avy amin’ny masoandro 1 750 kW

Manomboka ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro any Belo Tsiribihina. Fiaraha-miasa iarahana amin’ny orinasa Lemi, amin’ny alalan’ny tetikasa Decim, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Hanana tanjaka 1 750 kWc sy bateria mitahiry angovo 5 000 kWh ity fotodrafitrasa ity. Hatsangana amin’ny velaran-tany 1,6 ha. Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana, hananganana toerana miisa 17, mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, izao tanterahina izao.
Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny Praminisitra Rajao­narison Mamitiana, ny alahady 4 oktobra te, tao amin’ny fahitalavi-panjakana, ny hampihenana ny fampiasana solika hamokarana herinaratra. Etsy ankilany, hampitomboina sy haparitaka ny toerana famokarana angovo madio sy maha­ritra, toy ny avy amin’ny masoandro. Indrindra any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana, toy ny any Belo Tsiribihina.
Manampy ireo, vita sonia tamin’ny volana septambra teo ny hametrahana toby mamokatra angovo avy amin’ny masoandro any amin’ny toerana miisa 38, tamin’ireo 55 nanaovana antso fahavononana tamin’ny orinasa tsy mian­kina.
Anisan’ny toerana hananganana azy ireo any Antsiranana, Morondava, Tsiroanomandidy, sns.

Njaka A.

Partager sur: