Tsy afa-misaraka ny fanabeazana sy ny teknolojia niomerika. Antony nahatonga ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) nanolotra fampitaovana informatika ho an’ny Lycée Teknika (LTP) etsy Ampasapito. Anisan’izany ny solosaina miisa 10. Tetikasa hanohanana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra sy hanamafisana ny fampiasana ny teknolojia niomerika eo amin’ny sehatry ny fanofana. Tafiditra ao anatin’izany ny tontolon’ny fanabeazana sy ny sampandraharaha ny sekoly. Ankilany, notokanana omaly ihany koa ny fotodrafitrasa hanatsarana ny sehatry ny fampianarana mba hisitrahan’ireo mpianatra fiofanana mifanaraka amin’ny filan’ny tontolon’ny asa. Nohavaozina tamin’izany ireo efitrano fiofanana, nametrahana lavadrano sy château d’eau ihany koa teny an-toerana. Tetikasa niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (MEFTP). “Dingana manan-danja sy hanamafy ny kalitaon’ny fiofanana sy ny fahaiza-manao arakasa ny mpianatra eny anivon’ny LTP ny tetikasa nataon’ ny minisitera roa tonta”, hoy kosa ny talen’ny kabinetran’ ny MNDPT, Rakotoarivonona Njiva.
Henintsoa





