Fahasalaman’ny saina : Mila fitsaharana ny mpikarakara ireo manana fahasembanana

“Tokony hampidirina ao anatin’ny politika nasionalin’ny fahasalamana sy ny fiahiana sosialy ny fahasalaman’ny saina sy ny fanohanana ireo mpanampy mikarakara ireo olona manana fahasembanana”, hoy ny mpitarika ny M4D.

Anatin’ny fanamarihana ny volana natokana ho an’ny fahasalaman’ny saina, misintona ny sain’ny daholobe ny fikambanana Mouvement pour le différence (M4D) fa misy tranga hodiana tsy hita eto Madagasikara. Ny fijaliana ara-tsain’ny olona (izay tsy hita maso) miaina miaraka amin’ny fahasembanana sy ny faharerahan’ireo olona mpanampy mikarakara azy ireo. Matetika iharan’ny fanilikilihana sosialy ny fianakaviana ary manampy trotraka ny tsy fisian’ny fandraisana an-tanana mifanaraka amin’­ ilay fahasembanana. Miteraka rarintsaina eo anivon’ny ankohonana ireo ka mamparefo azy indray.
Ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy, miankina betsaka amin’ny reny na raim-pianakaviana na ny iray tampo ny fikarakarana ny mpiray ankohonana manana faha­samihafana eo amin’ny fiasan’ny atidoha. Tsy niofana manokana izy ireny nefa misahana ny fanohanana isan’andro tsy tapaka mandritra ny fotoana maharitra ka maha­tsiaro ho torovana ara-batana sy ara-tsaina. Noho ny faha­tsapana io tranga io no nitarika ny M4D hametraka fandaharanasa mifototra amin’ny fotoana hitsaharana hakana aina sy hialana sasatra. Eny ani­von’­ny antenne an’ny fi­kambanana, any amin’ny faritra, mikarakara fotoana hitsaharana isam-bolana ny tomponandraikitra ho an’ny mpikarakara ny olona manana fahasembanana. Sady mifanakalo hevitra no mifanohana ialana amin’ny fitokana-monina izy ireny. Afaka misitraka tohana ara-tsaina sy torovehitra momba ny zo ny tsirairay miaraka amin’­ny manam-pahaizana.
Ilaina, noho izany, ny fa­metrahana fotodrafitrasa ahafahana miala sasatra sy miato ka entanina ireo mpiray ombon’antoka hitondra ny anjara birikiny.

Vonjy

Partager sur: