Fanaovam-baksiny : Manampy antsika ny Amerikanina

Manohana ny hetsika fanaovam-baksiny eto Mada­gasikara i Etazonia, amin’ny alalan’ny tetikasa Global Polio Eradication Initiative (GPEI) sy Strides. Ny Strides izay manohana ny ezaka hiadiana amin’ny fiparitahan’ny lefakozatra amin’ny alalan’ny fanaraha-maso mahaleo tena sy ny Lot Quality Assurance Sampling na LQAS.
Fomba ahafahana manamarina ny fahombiazan’ny LQAS. Hijerena raha tena vita vaksiny tokoa ireo zaza nokendrena hatao vaksiny amin’ny toerana iray. Ahafantarana ihany koa hoe: aiza ny toerana tokony hiverenan’ireo ekipa mpanao vaksiny? Ahafahana miantoka fa marina sy azo refesina ny vokatra azo.
Ity fanohanana ity izay mifanaraka amin’ny paikady ankapobeny momba ny fahasalamana na ny America First Global Health Strategy. Miara-miasa mivantana amin’ireo governemanta mpiara-miombon’antoka aminy i Etazonia amin’ny alalan’ity paikady ity.
Mifototra amin’ny fandraisan’ny firenena an-tanana ny momba azy sy ny fiaraha-misalahy amin’ny fanatanterahana ny asa ary ny tamberin’andraikitra momba ny vokatra azo izany fiaraha-miasa izany.
Ny volana desambra 2025, nanasonia fifanaraham-
piaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny governemanta amerikanina sy malagasy. Miray amin’ireo tanjona iombonana, amin’ny hoe tsy hisy intsony ny trangana lefakozatra vaovao eto Madagasikara.

Tatiana A

Partager sur: