INDRAY MIJERY

Nitsidika ny Centre Médico-social Mères-Enfants ny filohan’ny Oniver­siten’­Antananarivo, ny profesora Randrianasolo Rivoa­rison ho fanomanana ny fanokafana izany eny an-toerana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vehivavy mpampianatra, mpandraharaha ary ny tovovavy mpianatra eny anivon’ny Oniver­siten’Antananarivo ny fisian’ity ivontoeram-pitsaboana vaovao ity.
Analakely-Arcade/Muraille  de Chine… ‎Mampihatra ny drafi-pifamoivoizana PIAA2 ny polisy monisipaly. Manala ireo fiara mijanona amin’ny toerana voatokana ho an’ny fifamoivoizana, manoro sy manabe ireo mpampiasa lalana, mandrindra ny fiantsonan’ireo fiara fitateram-bahoaka.
Ao amin’ny dessableur Anosy no hanatanterahan’ireo ekipan’ny Apipa ny asa fanalana fasika sy fanadiovana. Mano­didina ny 35 m³ ny fasika efa nesorina hatramin’izao. Mbola mitohy kosa ny ezaka, ary tsy hitsahatra ny asa raha tsy vita tanteraka ny fanadiovana ity fotodrafitrasa ity. Tanjona ny hanatsarana ny fahafahan’ny dessableur mandray sy mampandeha tsara ny rano. Hanampy amin’ny fandrindrana ny fikorianany izany, ka hampihena ny mety hisian’ny tondradrano eny amin’ny faritra manodidina, indrindra rehefa mirotsaka ny orana.

Partager sur: