“Manamarika ny 10 taona nanaovana asa an-tsoroka mialoha ny fiavian’ny loza i Madagasikara. Fomba fiasa ahafahana mandray fepetra mialoha hampihenana sy hanalefahana ny fiantraikan’ izany amin’ny mponina sy ny fivelomany”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel, omaly, teny Alarobia.
Nametraka ny laharam-pahamehana sy ny andraikitry ny tsirairay sy ireo rafitra famatsiam-bola maharitra ho an’ny taona 2026-2023 ireo mpisehatra nasionaly sy iraisam-pirenena miasa eo amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Taorian’ny fandraisana ny lesona azo nandritra ny 10 taona, nisongadina fa ilaina ny fahazoana antontan-kevitra azo antoka sy fanitarana ny rafitra fampitandremana mialoha ary ny famatsiam-bola. Efa nivoaka ny fiandohan’ity volana ity ny endriky ny taom-pahavaratra 2026 -2027 eto Madagasikara. Efa samy mandray ny tandrify azy avy ireo voakasika. Jerena ny toerana mety ho voakasika ary mizara ny traikefa eny amin’ireo olona eny ifotony ny tomponandraikitra. Apetraka mialoha koa ny fitaovana sy ny sakafo miaraka amin’ny tomponandraikitry ny biraom-paritry ny BNGRC.
“Voka-pikarohana ara-tsiansa navoakan’ny foibe famantarana ny toetr’andro ny tantsoroka mifanaraka amin’ ny asa an-tsoroka mialoha. Hizara roa mazava ny fotoam-pahavaratra, mety hisy fikorontanana entin’ny El nino, ny haintany sy ny tondrandrano”, hoy ny tale jeneralin’ny foibe famantarana ny toetr’andro. Momba ny rivodoza, aotra ka hatramin’ny roa no mety hahakasika an’i Madagasikara.
Vonjy





