Nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny fepetra tetezamita tsy maintsy raisina hitsinjovana ny mpianatra amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana isan-karazany manoloana ity fandaharam-pibeazana ity.
Ho an’ny fanadinana CEPE, tsy mbola hanadinana ny taranja” Art”, “EPS” ary ny “Anglais”. Hatao mandritra ny taom-pianarana kosa anefa ireo taranja ireo, saingy tsy hanadinana amin’ny fotoan’ny CEPE.
Ho an’ny mpanala fanadinana BEPC dia tokana ny safidy ary tsy maintsy atao ny taranja “Anglisy” sy ny “FOV”, saingy mbola tsy hanadinana ihany koa ny “Art”.
Ho an’ny mpanala fanadinana bakalorea kosa dia napetraka ny sokajy telo hanajana ny “décret” nametraka izany fa kosa afaka manao safidy ireo mpianatra ao anatin’izany.
Mba hampiroso tsara ny taom-pianarana 2026-2027 dia mitohy ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao any an-tsekoly manomboka ny kilasy fanomanana (préscolaire) ka hatramin’ny kilasy famaranana (Terminale).
Tatiana A





