Hamaliana ny filana eto Madagasikara, nentanina ireo manan-talenta malagasy hitondra vahaolana avy amin’ny fikarohana havadika ho vokatra.
Nanao antso ny minisitera roa, ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina,
miaraka amin’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) ho an’ireo rehetra liana. Momba ny haivao eto Madagasikara amin’ny lohahevitra “Ny fikarohana mitondra vokatra: fanohanana ny talenta, fanovana ny haivao, fanamafisana ny fahaleovantena ara-toekarena”. Tanjon’ ny telo tonta ny hanamafy ny fifandraisan’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny haivao ary ny fampandrosoana ny indostria. Hanao tantsoroka ny tetikasa vaovao hitondra fivoarana ho an’ny toekarena eto amintsika izy ireo ka hiteraka asa maro. Efa tafapetraka rahateo ny UniPod izay sehatra iray hanohanana ny tanora sy ny fandraharahana ary hanovana ny fikarohana ho vokatra azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro.
Hizara telo ny sokajy ho an’ireo vonona hamaly ny antso. HI-Lab ho an’ny mpikaroka sy ny laboratoaram-pikarohana hamadihana ny voka-pikarohana siantifika ho vahaolana azo ampiasaina. Ny HI-Nov ho an’ny tanora mpandraharaha sy ireo mpisehatra tsy manara-drafitra maniry ny hanitatra ny asany sy hiroso amin’ny manara-drafitra hampaharitra azy. Farany, ny HI-Impact natokana ho an’ny orinasa madinika, vaventy mila haivao amin’ny teknolojia.
Tokony ho tafiditra amin’ny sehatra fito ny tetikasa hatolotra: tontolo iainana, toekarena maitso, angovo azo havaozina, fambolena maharitra sy fiahiana ara-tsakafo, faharanitan-tsaina artifisialy, fahasalamana, toekarena manga sy harena an-dranomasina…
Hisitraka tohana isan-karazany ny tetikasa voasafidin’ny tomponandraikitra ary hisy hampifanantonana ny mpikaroka sy ny tompon’ny orinasa hitohizan’ny fiaraha-miasa. Hifarana ny 22 oktobra ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasy hifaninana amin’ny https://unipod.mesupres.mg/postuler/ .
Vonjy





