Lehilahy iray noheverin’ny mpiara-monina fa tsy hita no maty irery tao an-tranony, tetsy Alasora. Nanaitra ny mponina manodidina ny fofona hafahafa niely, afakomaly. Voamarin’ny dokotera fa matin’ny toaka izy, efa telo andro lasa izay.
Hita faty tao an-tranony, afakomaly, tokony ho tamin’ny 2 ora atoandro, tetsy Tsararivotra, fokontany sy kaominina ambanivohitra Alasora, ny lehilahy iray tokony ho 40 taona. Nampandre ny zandary ao an-toerana mahakasika ny zava-nisy ny renim-pianakaviana iray, mpiray tanàna amin’ny maty. Nidina teny ifotony nijery izany sy nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Niaraka tamin’izy ireo ny mpitsabo avy amin’ny CSB II.
Vatana efa mangatsiaka, matory miankin-drindrina eo ambony fandriana, no hitan’ny tomponandraikitra rehefa tonga teny ifotony. Mbola nisy akanjo tsara ny razana. Tombanana efa ho telo andro ny fotoana nahafatesany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Efa nibontsina ny vatany iray manontolo. Fantatra ihany koa fa maty vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola diso tafahoatra izy, araka ny tatitry ny mpitsabo.
Nidonaka ny fofona
Nisy olona sendra nandalo teo akaikin’ny trano fonenan’ ilay lehilahy namoy ny ainy no naheno fofona hafahafa. Nampandre ny mponina manodidina izy. Nivory ny fokonolona taorian’izay. Novahana ny varavaran’ilay trano hanamarinana ny tao anatiny. Teo no nahitana ny vatana mangatsiaka efa simba.
Voalaza fa tsy tsikaritry ny mpiara-monina nivoaboaka teny amin’ny manodidina ity lehilahy ity tao anatin’ny telo andro. Nisy ireo nihevitra fa lasa namangy ny havany izy na nanjavona tsotra izao. Marihina fa tsy nahitana taratasy mazava mahakasika azy ny maty. Tsy eto an-toerana fa lavitra avokoa ny havany, raha ny loharanom-baovao.
Mino





