Toerana iray mitahiry ampahany betsaka amin’ny vakoka momba ny horonantsary teto Madagasikara ny « Auditorium » etsy Androhibe. Fantatra izao fa naverina ho eo ambany fitantanan’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ny toerana sy ireo raki-tsarobidy voatahiry ao.
Tonga nitsidika ny toerana teny Androhibe ny minisitra Mandrindrarivony Ogascar, sady namerina ny trano sy ireo tahiry ao aminy ho an’ny minisitera rehefa notazomin’olon-tsotra nandritra ny 18 taona. Taorian’ny fandrobana sy fandoroana ny RNM sy TVM, ny taona 2009 dia saika simba sy may avokoa ireo tahirim-pirenena tao aminy, ka ireo fitaovana sy tahiry sisa tsy levona no notahirizina tao amin’ity toerana etsy Androhibe ity. Mbola voatahiry ao ireo sary talohan’ny Repoblika voalohany, ireo vakoka momba ny sarimihetsika eto Madagasikara ary ireo tahirin-tsary sy feo.
Hamelona indray ny tantaran’i Madagasikara voarakitra an-tsary ny fanokafana ny auditorium Androhibe. Misy koa ny fanomanana fiaraha-miasa amin’ny ao Italia, izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny sarimihetsika malagasy miaraka amin’ ny Ivontoeran’ny Sarimihetsika sy ny sarimiaina malagasy na ny ISSM.
Zo ny Aina





