Festival Madajazzcar 2026: tontosaina anio ny « Podium de Clôture »

Tao anatin’ny roa herinandro, feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny “Festival Madajazzcar 2026”. Antana­narivo, Toamasina, Antsirabe, samy nandray hetsika goavana (fampisehoana, fifanakalozana, fifaninanana…) avokoa. Mpitendry sy mpihira ary mpitia jazz avy eto an-toerana sy avy any ivelany, samy tazana teny an-tsehatra.
Hofintinina anio tolakandro, amin’ilay seho sehatra lehibe « Podium de clôture », etsy amin’ny Parvis Analakely, anoloan’ny Lapan’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivohitra ny zava-nisy nandritra ity Festival Madajazzcar 2026 ity. Han­dray anjara amin’izany ireo tarika sy mpitendry ary mpihira miangaly ny jazz toa an-dry Soa Hary, Vahan­danitra, Ma­mory Jazz Band, Band Ba­raka, Big Band, Joro J Project, Silo Trio, Mutaiga Three (feat Eddie Grey), Monika Njava & Friends.
Amin’ny ankapobeny, na­hitana fivelarana lehibe ny Madajazzcar 2026. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny tanora. Tsy vitsy ihany koa ireo nianatra sy mbola mandalina any amin’ny foibe fampianarana mozika no tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fandaharam-potoana (fifaninanana, fampisehoana, fifanakalozana…). Tolo-kevitra sy hetahetan’ireo tanora ireo ny mba hisian’ny fifanakalozana matetika eo amin’ny samy mpilalao jazz.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: