Talohan’ny Covid-19 : nisanda 1,7 miliara dolara ny fizahantany

Manomboka mahazo va­hana ny fizahantany eto Ma­dagasikara. Mahasarika olona maro isan-taona avy amin’ny tany rehetra. betsaka ny zavatra hita mifangaro sy karazana tsiambaratelo maha hafa ny Nosy eo amin’ny tontolon’ny zavaboahary sy ny biby mampiavaka azy amin’ny rehetra.
Fitsidihana indray man­deha atao amin’ny Nosy, tsy mahavita hahafantarana ny zava-drehetra, tantara sy toerana. Misy maha samy hafa azy ny tontolo rehetra isaky ny faritra amin’ny fomba amam-panao.
Misy minisitera iray misahana ny fizahantany hanosehana ny toekarena, miaraka amin’ireo mpandraharaha maro, ahitana vahiny avy
any ivelany. 12,7 % no nen­tin’ny fizahantany tamin’ny harinkarena faobe, ny taona 2019, mitentina 1,7 miliara dolara talohan’ny valanare­tina Covid-19, koa izao eza­hina harenina izao indray.
Tanàna roa manana ny mampiavaka azy, ohatra, An-tsirabe sy Nosy Be. Ny iray eto afovoan-tany tsy lavitra ny Renivohitra, ny iray nosy any Avaratra Andrefana, misy seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ravinala, tantanan’ny vahiny.
Na fotoana kely fotsiny aza ny handalovana ao Antsi­rabe, efa ahitana toerana manan-daza maro, toy ny farihin’i Tritriva sy Andraikiba ary ireo havoana maro isan-karazany. Toerana be mpitsidika koa ny Araben’ny fahaleovantena sy toerana mam­panan-daza amin’ny tantara, toy ireo fiangonana sy ranomafana (Tritriva, Andraikiba, Andranomafana).Manana ny toerany koa Antsirabe amin’ ireo karazana asa tanana. Nosy Be indray mahasintona mpizahatany betsaka amin’ny karazan-javatra maro momba ny tontolon’ny ranomasina. Toerana fandalovan’ny maro kosa Antananarivo amin’ny ankapobeny. Tanàna fahatongavan’ny mpizahatany matetika.

Ndrina

Partager sur: