Natolotry ny fikambanana Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny zoma 24 febroary teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy miisa dimy mendrika avy amin’ny sekoly ambony. Mi-tentina 1.000.000 Ar tsirairay avy izany ho azy dimy mianadahy, hoentina hanatsarana sady hanampiany ny fianarana rantoviny.
Isan’ny masontsivana hisafidianana ny mahazo vatsim-pianarana avy amin’ny Fondation Daiho-Uchida ny mpianatra mendrika. Jerena koa anefa ireo mpianatra sahirana ara-pivelomana ny ray aman-dreniny. Isan’ny omena lanja ny sampam-pianarana polyteknika sy ny tontolo
iainana. Nilaza Rakotozafy Nirina Bien Aimé, mpianatra ho injeniera amin’ny « génie civil), fa hoentiny hanampiany ny famitana ny fianarany ny vatsim-pianarana azony. Tanjony, ny hanangana orinasa na hiasa ho an’ny tenany, fa efa miasa, hakany traikefa sady mianatra izy ankehitriny.
Fitaratra ho an’ny hafa
Nambaran-dRtoa Ralaimirana Lamina R.Arielle, mpianatra any amin’ny Sekoly ambony polyteknika Antsiranana (ESPA) fa tsy hitsanga-menatra izy ireo, amin’izao tohana nomen’ny Fondation Daiho-Uchida izao, sady ho fitaratra ho an’ny hafa.
Anisan’ny nanorina ny orinasa japoney Daiho i Hiroshi Uchida ny taona 1949. Niaraka nanangana ny Fondation Hiroshi Uchida kosa ny zanany Kotaru Uchida, filohan’ny Daiho fahavalo, niaraka tamin’ny ambasadaoro malagasy tany Japon, Cyrille Fida, ny taona 1997.
Niova ho Fondation Daiho-Uchida ny fikambanana ny taona 2021. Miisa 45 ny mpianatra nomena vatsim-pianarana ny taona 2004 hatramin’ny tana 2019, mitentina 45.000.000 Ar.
Njaka A.
Izy dimy mianadahy nahazo vatsim-pianarana :
1-Ralaimirana Lamina Rariantsoa Arielle : Oniversite ESPA
2-Rakotozafy Nirina Bien Aimé : IST
3-Randrianirina F. Sandamalala : ISPM
4-Razafindramanitra Jeannie Chaïra : ESP-DIE
5-Mamenoarivo Julvance : Onivesite Toliara