Hapetraka ny mangarahara eo amin’ireo mpisehatra letisia mba hiarovana ny tombontsoan’ny daholobe sy hiantohana ny fitohizan’ny tsena eoropeanina.
Fanatsarana ny kalitao, ny fifaninanana ary ny fitantanana ny seha-pihariana letisia malagasy. Ireo no tanjona nandritra ny dinika nataon’ny delegasionina malagasy tamin’ireo orinasa mpanafatra letisia any Eoropa, tany Parisy-Frantsa. Nampahafantarina tamin’izay koa ny sori-dalana sy ny fanavaozana hatao. Nasongadina nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny fitantanana mangarahara sy ny fitovian-jo eo amin’ireo mpisehatra. Kendrena ny hahafahan’ny rehetra mahafeno ny fepetra takina handray anjara amin’ity sehatra ity. Tanjona ny hametraka ny mangarahara sy hisoroka ny tombontsoa manokana.
Mpiara-miombon’antoka
Orinasa roa mpanafatra letisia no nihaonan’ny delegasiona malagasy, dia ny SIIM, izay mpiara-miombon’antoka efa hatry ny ela, sy ny ORSERO, izay vao nanomboka nanafatra letisia tamin’ity taom-piotazana ity. Manohana ireo mpisehatra eto an-toerana ihany koa ireo orinasa roa. Manampy ara-bola sy ara-pitaovana amin’ny fanomanana ny taom-piotazana. Ankilany, nitsidika ny toerana fikirakirana sy fanomanana letisia ao amin’ny orinasa SIIM ihany koa ny delegasiona malagasy. Ankoatra izay, fanamby napetraka ny hiantoka ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka sy hanohizana ny tsena eoropeanina izay anisan’ny tsena lehibe ho an’ny letisia malagasy. Takina ao anatin’izay ny fiaraha-mientan’ny fanjakana, ny vondron’ny mpanondrana letisia (GEL) sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Tanjona ny hanatsara ny kalitao sy ny fifaninanana, ary hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny seha-pihariana letisia eto Madagasikara.
Henintsoa





