Nampafantarina, ny zoma 9 oktobra teo, ireo tsara vintana nahazo ny loka tombola, nokarakarain’ny Vondron’ny mpanafatra fiarakodia avy any ivelany eto Madagasikara (GCAM), nandritra ny hetsika « Salon de l’Auto » natao teny amin’ny CCI Ivato, farany teo.
Anisan’ny nahazo ny loka voalohany avy amin’ny GCAM, fiara tsy mataho-dalana 4×4 Rakotonarivo Rijanirina Tino. Faharoa, nahazo moto, Ramboarivelo Herizo Nantenaina. Nahazo loka avy amin’ny banky Bred Madagasikara, mpanohana ofisialy ny Salon de l’Auto, ihany koa, Raharinosy Yves Salomon, nahazo fitaovana ilaina amin’ny fikojakojana fiarakodia. Tsara vintana, nisitraka ny loka avy amin’ny Coca Cola, mpanohana mivantana ny Salon de l’Auto ihany koa, nomena tapakila hividianana zavatra (Bon d’achat) mitentina 1 tapitrisa Ar i Mahery Patrick. Maro koa ny loka hafa nomena ireo mpandray anjara sy mpanjfa.
Samy nankasitraka izao hetsika « Salon de l’Auto 2026 » izao avokoa, izy ireo, ary nanasongadina fa zava-dehibe ho an’ny Malagasy tokoa izany. Marihina fa manerana ny faritra ireo tsara vintana ireo, fa tsy avy eto Antananarivo ihany. Satria, natao manerana ny Nosy ny fandraisana anjara.
Njaka A.





