VAOVAO TAMBATRA

Milanja 5 taonina sy 155 kilao ny fako plastika voaangon’ireo fikambanana miisa 91 nandritra ny hetsika « World Cleanup Day (WCP) » tao Ambohidratrimo, ny sabotsy teo. Nisy ny fifaninanana nanangonana fako izay nampirisika ireo mpandray anjara hifanome tanana, nifanentana ary nifaninana tamin’ny asa mivaingana ho an’ny fahadiovan’ny tanàna. Porofo izao fa manana finiavana sy vonona handray andraikitra ho an’ny tontolo iainana ny mponina ao an-toerana.

Miisa 50 ireo jirobe (cobra) napetraka ao Antsiranana. Tetikasa natao hanatsarana ny hazavana sy hampitomboana ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto amintsika. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny hanapariahana ny jirobe mba hanamora ny fivezivezen’ny mponina amin’ireo toerana iombonana sy handraisana anjara amin’ny fiahiana ny fandriampahalemana.

Voarara ny manjono, ny manangona, mivarotra, mividy, mitatitra, mitahiry ary manondrana drakaka manomboka ny 16 oktobra misasak’alina ka hatramin’ny 15 desambra 2026 misasak’alina. Manan-kery manerana ny Nosy ny fepetra, araka ny didim-pitondrana laharana faha-22.529/2020 tamin’ny 14 oktobra 2020 izay mamaritra ny fitrandrahana ny drakaka. Miantso ny mpandraharaha rehetra sy ireo mpisehatra samihafa handray fepetra mifanaraka amin’izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga.

Partager sur: