Politika Nasionalin’ny fanatanjahantena (PNS) : Hampandroso sy hanatsara ny fanatanjahantena

Notontosaina ny zoma lasa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lanonana famaranana sy ny fampisehoana ny drafitra vaovao hampandrosoana sy hanavaozana ny fanatanjahantena eto Madagasikara, na ny politika nasionalin’ny fanatanjahantena (PNS). Nitarika ny lanonana tamin’izany ny minisitry ny Tanora sy ny Fana­tanjahantena (MJS), Rasam­bany Alain Désiré, sy ireo solontenan’ny federasionina ary ny ligy isam-paritra.
Marihina fa ny hanatsarana ny fitantanana sy ny fandrindrana ny fanatanjahantena no nanaovana azy ity. Tanjona napetraka ny fametrahana ny mangarahara, ny fanamafisana ny fitaizana sy fanofanana an’ireo atleta hatrany amin’ny ambaratonga fototra mba hampandrosoana ny fanatanjahantena eto Mada­gasikara.
Ankoatra izay, nojerena ihany koa ireo dingana ara-panjakana tsy maintsy arahina mba hahatonga ny PNS ho lalàna manan-kery. Marihina fa ity politika vaovaon’ny fanatanjahantena ity dia efa nanaovana atrikasa, nandritra ny telo andro, ny 7-9 oktobra lasa teo, teny Ambohiman­gakely.

Fitia Randria

Partager sur: