Hiatrika ny fiadiana ny ho Tompondaka maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo Malagasy mpikatroka efatra mianadahy, i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Efa nanainga omaly, hihazo an’i Pologne ny delegasionina malagasy.
Nilaza ireo atleta malagasy fa efa aman-taonany maro izy ireo no nanomana izao fifanintsanana iraisam-pirenena izao ary hiezaka ny hanao ny tsara indrindra avy aminy ny mpilalao, ary hitondra medaly amin’io fifanintsanana io. Tsara ny mampatsiahy fa noraisin’ ny fanjakana an-tanana ny fandehanan’ireo mpikatroka amin’ity fifaninanana ity taorian’ny antso izay nataon’ireo ray aman-dreny, efa ho tapa-bolana lasa izay.
Efa natolotra teo Ankorondrano omaly, ny tapakila sy ny vatsin-dalana entin’izy ireo miatrika izany fifaninanana izany. Marihina fa ireo Malagasy efatra mianadahy ireo, nahazo vokatra tsara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Alzeria farany teo.
F.R





