Jovena sy Spat : Hampiditra 2 tapitrisa dolara

Vita omaly, tetsy Andraharo, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ ny orinasa Jovena sy ny orinasa mahaleo tena mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Fiaraha-miasa haharitra 25 taona io. Raha ny fanazavana nataon-dRandriam­bahoaka Heritiana Anicet, tale jeneralin’ny Spat, hampiditra vola mitentina 2 tapitrisa dolara na 8 miliara Ariary mahery, isan-taona, ho an’ny fanjakana izany.
Ao anatin’ity fiaraha-miasa ity no hananganan’ny Jovena tobin-tsolika roa manaraka ny teknolojia vaovao, hanome­zana tolotra tsara kalitao ho an’ireo mpitatitra sy mpandraharaha amin’ny lozistika. Haharitra dimy volana eo ny faharetan’ny asa, mitentina 3 tapitrisa dolara na 14 miliara Ariary ny vola hananganana azy, araka ny fanazavan’i Robin Carletti, tale jeneralin’ny Jovena.
Marihina fa ho fanohanana ny fampandrosoana ny sehatra iraisana ho an’ny fitaterana sy ny lozistika ary ny seranan-tsambon’i Toamasina (PMLP-T), ity fiaraha-miasa vaovao ity.

Fitia Randria

Partager sur: