Tafiditra ho anisan’ireo seha-pihariana 10 voalohany mampidi-bola vahiny betsaka eto Madagasikara ny lohamenaka. Mampiasa olona manodidina ny 500 000 isa izy ary manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolo iainana. Vina apetraky ny Vondron’ny mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (Gehem) ny hampakatra hatrany amin’ny 1 miliara dolara isan-taona ny sandan’ny fanondranana ho an’ny taona 2040. Hatao laharam-pahamehana ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana sy ny hamokatra sanda fanampiny enti-manatanteraka izany.
Ny taona 2025, nahatratra 968,4 taonina ny vokatra naondran’i Madagasikara tany Eoropa. Ny taona io ihany, laharana faha-22 i Madagasikara teo amin’ny fanondranam-bokatra teo amin’ny tsena eoropeanina ka lohamenaka avokoa ny 30,6% ny vokatra. Nahatratra 101 937 739 dolara ny sandan’ny fanondranana nataontsika, raha toa ka 60 618 132 dolara izany ny taona 2019. Nivoitra tao anatin’ny tarehimarika fa nitohy ny fironana hatramin’ny volana aogositra 2026. Anisan’ireo sokajy aondrantsika ny jirofo, ny « extrait de vanille » ary ny « ylang-ylang ». Ankilany, firenena mandray ny lohamenaka avy eto amintsika i Frantsa, Allemagne, Suisse ary Espagne. Mbola sakana kosa ny fomba fiasa sy ny seha-pitantanana eto amintsika izay ilana fanatsarana hoenti-mampandroso ny seha-pamokarana sy ny toekarena.
Henintsoa





