VAOVAO TAMBATRA

Mamokatra 3,1MW amin’izao ny milina mpihary herinaratra « GE 572 » ao Toamasina rehefa tsy niasa an-taonany maro. Tanjona ny hampakatra izany ho 3,5MW hanohanana ny famokarana ao an-toerana. Ankehitriny, ao anatin’ny andrana sy fanaraha-maso akaiky ny milina ny Jirama mba hahazoana vokatra azo antoka. Miara-misalahy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ny orinasa amin’izany.
Indroa isan-kerinandro ny sidina ataon’ny Madagascar Airlines avy ao Nosy Boraha mihazo an’i Saint Denis manomboka ny 16 desambra. Hanata­nteraka ireo sidina ireo ny ATR 72 ampiasain’ny kaompania. Marihina fa niverina nanomboka ny 03 oktobra teo indray ny sidina mampitohy ny Nosy roa tonta
rehefa niato nandritra ny enin-taona.
Nizara traikefa momba ny ady amin’ny vokatra sandoka tao Kenya i Madagasikara, nandritra ny dinika natao tany an-toerana. Fifanakalozan-kevitra tafiditra ao anatin’ny paikady fiarovana ny mpanjifa ao anatin’ny tsenan’ny Comesa. Voaresaka tamin’izany ny ahiahin’ny mpanjifa amin’ny lafiny fitaterana ana habakabaka, ny fifanakalozana ara-bola niomerika ary ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy.

Partager sur: