Nanainga omaly tamin’ny 3 ora maraina, nihazo an’i Tanzania, ny CFFA, solontenan’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Ligue des champions Caf”. Marihina fa hifanandrina indroa miantoana amin’ny Young Africans SC Tanzania izy ireo. Nilaza Rajaonarisamba Franck, mpanazatra ny CFFA, omaly, fa hitady fandresena izy ireo mba hidirana anaty vondron’ny LDC Caf. Raha tsy misy ny fiovana, ny 17 oktobra ho avy izao ny lalao mandroso ary ny 21 oktobra ny fihaonana miverina. Noho ny tsy fisian’ny kianja ankatoavin’ny Caf eto Madagasikara, hatao any Tanzanie avokoa ireo lalao roa ireo. Ankoatra izay, nilaza ny loharanom-baovao fa noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, nosokafana ho an’ireo mpijery sy mpankafy baolina kitra rehetra any Tanzanie ny lalaon’izy ireo amin’ny Young Africans SC, ka ny vola azo dia entina hampihenana ny fandaniana any an-toerana. Marihina fa efa nahavita lalao ara-pirahalahiana dimy ny CFFA mialoha izao hiatrehany ny LDC Caf izao.
Fitia Randria





