Billard – Mondiaux 2026 : Miantso fanampiana ny ekipa malagasy

Afaka 10 andro, hiatrika ny fiadiana ny ho tompon­daka maneran-tany “IBF Blackball 2026”, taranja Billard, ny Ma­lagasy. Fihao­nana hotanterahina ao Cape Town, Afrika Atsimo, ny 23 oktobra hatra­min’ny 1 no­vambra ho avy izao. Mbola mitady ny ho­enti-manana hiatrehana izany ireo mpilalao ka miantso fa­nam­piana amin’ny fanjakana satria voninahi-pirenena no ho arovana. Nambaran’ireo mpilalao fa efa nametraka fangatahana ao amin’ny minisitera izy ireo, saingy tsy mbola nahazo valiny. Mandra-piandry izany, na­nao hetsika fitadiavam-bola “Road to Cape Town 2026” ireo mpilalao 8 vavy. Notan­terahina ny sabotsy 10 sy ny alahady 11 oktobra lasa teo izany. 100 ireo mpilalao nandray anjara, tamin’ny sokajy telo dia ny “The Crew” natao tao amin’ny Optimum Anka­zomanga, ny “The Solo” ary ny “The Duo”, tao amin’ny Arena Billard Amparibe. Tanjona ny hampiray ny tontolon’ny Billard eto Madagasikara. Fotoana ihany koa hanehoana ny tontolon’ny “blackball” malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fiatrehany io IBF Blackball 2026 io.

Torcelin

Ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana :
– The Crew: BBT miaraka amin’i Jangil Arena, Poma My Adals, Nokoloina Atmosphère, Laura
– The Solo: Jangil Arena
– The Duo: Jangil Arena sy Poma My Adlas

Partager sur: