Mifarana anio, eny amin’ny Kianja Ambohitsaina Ankatso ny fifantenana ireo mpilalao tsipy kanetibe handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny “Mondial 2026”. Tsy anisan’ireo ao anatin’ny hofantenana farany Andriantseheno Christian (Racle), tompondaka lefitra maneran-tany 2025. Eo koa i Tiana (Tonnere), tompondaka La Marseillaise 2025. Tsiahivina fa miisa 15 sisa ireo mbola miatrika izany.
Hifindra ary hilalao any Etats-Unis indray ilay Malagasy mpilalao basikety, latsaky ny 18 taona, Raolompanatena Thesbon Matazaky (Matà). Efa nandrafitra ny Ankoay ny tovolahy ary efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika natao tany Côte d’Ivoire, ny volana aogositra lasa teo. Tsiahivina fa tao amin’ny klioba Rueil-Malmaison sy tao amin’ny Charenton St Charles France izy nialoha izao hilalaovany any Etats-Unis izao.
Hotokanana ny faran’ny herinandro izao ireo tetikasa lehibe eo amin’ny sehatry ny baolina kitra. Ny sabotsy 17 oktobra ny ivontoerana teknika nasionaly eny Carion. Ny alahady 18 oktobra kosa ny Fifa Arena any Ampangabe Ambohidratrimo. Andrasana, araka izany, ny mety ho fihavian’ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra, i Gianni Infatino, eto Madagasikara, araka ny efa nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasy, Randriamanampisoa Alfred.





