Mbola nanamafy ny fangatahany ny zanaka am-pielezana milaravinahitra any ivelany (Diaspora). Nametraka fitakiana maromaro izy ireo amin’izao fanavaozana izao. Anisan’ny efa notakian’izy ireo teo aloha ny ahafahany mifidy amin’ireo fifidianana hatao aty Madagasikara. Tsy voatery ho tonga aty vao afaka hifidy, raha ny nambaran’ny solontenan’izy ireo, “Association observatoire de la vie publique – AOVPM”, tamin’ny alalan’ny filohany, Herininahary Mosesy. Tsy nijanona hatreo izany. « Mitaky koa izahay mba hanana solontena, solombavambahoaka avy aminay Malagasy am-pielezana », hoy izy. Tafiditra amin’ny fandraisana anjara birikin’ny Diaspora amin’ny fampandrosoana sy ny fanorenana na fanavaozana ny firenena izany. Mba hitondran’izy ireo ny hevitra rehetra amin’ny maha olom-pirenena azy ireo na any ivelan’i Madagasikara aza, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa efa misy sehatra ifampiresahan’ireo samy Malagasy any ivelany amin’ny alalan’ny «Concertation diaspora.com» ny momba ireo fangatahana marobe nataon’izy ireo amin’ny fitondrana. Marihina fa hatolotra ny FFKM ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny fikaonandoha.
Synèse R.





