FANTINA sy FINTINA

Hitohy anio amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny tsangambaton’ny filoha, Tsiranana Philibert, ny fanamarihana ny 14 oktobra any Antsohihy, faritra Sofia. Arahin’ny kabarin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, izany avy eo. Hisy koa ny fitsidihana ny trano fonenan’ny Rain’ny fahaleovantena ary hofaranana amin’ny matso.
Hentitra ny antoko Repoblikanina nasionalista. Mivaona amin’ny fotokevitry ny fanorenana ifotony ny fankalazana ny 14 oktobra, araka ny nambaran’izy ireo. «Midika ho fanohizana ny rafitra fanjanahana «Néo­coloniale», mbola mitoetra hatramin’izao izany. Anisan’ny antony nandavana an-dRajoelina ny maha frantsay azy», hoy izy ireo.
Tokony ho mailo ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambaran’i Christian Tabera. « Mi­rodana hatrany ny fitondrana notohanan’i Pety Rakotoniaina… Avoahay koa ny porofo raha nisy ben’ny Tanàna sy sefo fokontany noterena hiditra vondrona VFM», hoy izy, nitondra valin-kafatra ho an’ny depioten’Ikalamavony.
Matoky Ratsiraka Annick fa ho vita mialoha ny faran’ny taona 2027 ny fifidianana filoham-pirenena raha misy finiavana sy fitiavan-tanindrazana. « Enim-bolana fotsiny no nanomanana ny fifidianana tamin’ny 1975. Notendrena hitarika ny « directoire militaire », Ratsiraka Didier, ny jona 1975 ary vita faran’ny taona io ihany ny fifidianana », hoy izy.

Partager sur: