Tetikasa andrana SPG: Miisa 247 ny mpamokatra mampihatra ny famokarana biolojika

Fito volana izao no efa nivoaka ny didim-panjakana fampiharana ny famokarana biolojika. Mandeha ny tetikasa andrana, fampiharana azy, manaraka ny fenitra nasionaly sy iraisam-pirenena.

Natao teto Antananarivo, omaly, ny atrikasa nitaterana ny vokatry ny tetikasa andrana, mahakasika ny fampiharana ny Rafitra ifampifehezana sy antoka ho an’ny famokarana biolojika (SPG Bio). Faritra telo no na­natanterahana azy, Anala­man­ga, Vakinankaratra ary Itasy. Tetikasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), tohanan’ny Fikambanana iraisam-pirenena miandraikitra ny sakafo (FAO). Nomarihin’ny mpandrindra ny fandaharanasa ao amin’ny FAO, Mami­harivelo Victor, fa efa nivoaka ny lalàna, 2020-003, mamaritra ny famokarana biolojika eto Madagasikara. Voalo­ha­ny, ny mari-panamarinana omen’ny Rafitra mpanome mari-panamarinana ho an’ny vokatra biolojika aondrana any ivelany. Faharoa, ny fanamarinana omen’ny SPG Bio, ho an’ny vokatra jifaina eto an-toerana. Koa natao ity atrikasa ity, nanombanana ny fahombiazana, ny mila harenina ary ny tokony hatsaraina. Namoahana tondrozotra sy toromarika avy eo ny atrikasa. Miisa 247 ny tantsaha mpamokatra nisitraka ny tetikasa andrana. Nizarana traikefa, nampahafantarana ny dingana ahazoana ny mari-pankatoavana, ny momba ny bokin’ andraikitra, sns.

Vokatra biolojika 5 600 t/taona
Marihina fa voafaritra ao anatin’ny famokarana biolojika ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, satria mifototra amin’ny tsy fampiasana akora simika, sady mitsinjo ny fiarovana ny tontolo iainana. Efa am-polo taona izao no nisian’ ny famokarana biolojika eto Madagasikara. Nambaran’i Mamiharivelo Victor fa manodidina ny 5 600 taonina isan-taona ny vokatra biolojika eto Madagasikara. Aondrana any ivelany ny ankamaroan’ny vokatra, fa tanjona ny hanjifan’ny Malagasy sy ny eto an-toerana azy.
Mifototra amin’ny tanjona telo ny Paikadim-pirenena amin’ny famokarana biolojika. Ny fampiakarana ny vokatra biolojika, ny fampitomboana ny isan’ny mpisehatra aminy ary ny fampiroboroboana sy fampitomboana ny mpanjifa azy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: