CDOI 2026 : Hifampizara traikefa ireo mpitsabo nify

Mpitsabo nify sy matihanina amin’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava miisa 3 300 mahery no andrasana amin’ny andiany voalohany amin’ny «Congrès dentaire de l’Océan Indien» (CDOI). Fihaonambe hotanterahina ny 30 sy 31 oktobra 2026, eny amin’ny CCI Ivato.
Hampivondrona mpitsabo nify sy ativava eto Madaga­si­kara sy avy any ivelany ny kongresy. Hisy ihany koa manampahaizana iraisam-pirenena miisa 20 mahery sy tranoheva 40 mahery hampahafantatra ny tolotra sy ny teknolojia vaovao eo amin’ny fitsaboana nify.

Teknolojia vaovao
Lohahevitry ny hetsika amin’ity andiany voalohany ity ny hoe:” sourire demain”, mba hiantohana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava rahampitso. Ankoatra izay, hifantoka amin’ny fivoaran’ny teknolojia eo amin’ny fitsaboana nify ny fifanakalozan-kevitra, indrindra ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy ny tombontsoa entiny amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. “Mbola vita eto Madagasikara ny fitsaboana nify sy ny ativava ary maharaka ny fivoaran’ny teknolojia isika”, hoy ny filohan’ ny Holafitry ny mpitsabo nify, Dr Rabemananjara Daniel. No­tohizany fa hisy ny hetsika mai­maimpoana hitsaboana sy ha­nasoavana ny mpiara-belona. Marihina fa mbola vitsy ny mpi­tsabo nify eto amintsika. Sa­tria mpitsabo nify iray natao ho an’ny olona 32 000 raha toa ka tokony ho ho an’olona 10 000 izany. Ankoatra izany, hisy ny hetsika ara-pizahantany hahafahan’ireo vahiny ma­hafanta­tra ny kolontsaina sy mahita ny hakanton’i Madaga­sikara. Hanohana manontolo ny hetsika ny Yas Madagas­car.

Henintsoa

Partager sur: