SMA : Nisitraka fampitaovana vaovao

Nisitraka kamiao lehibe, miisa 32, hitaterana fako manerana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Orinasa monisipaly misahana ny fanadiovana (SMA). Avy amin’ny masoivoho japoney misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny Jica ireo fitaovana ireo. « Manampy amin’ny fanamorana ny fanantanterahana ny asa eny an-kianja ny fitaovana azo », hoy ny lehiben’ny sampandraharaha teknika eo anivon’ny orinasa, tetsy amin’ny foiben-toeran’izy ireo, eny Nanisana. Ankoatra ny fisitrahana kamiao, notoloran’ny Jica Bulldozer sy fitaovana fampiasa amin’ny fikirakirana kodiarana ihany koa ity orinasa ity. Olana ho azy ireo, hatreto, ny tsy fanajan’ny mpanary fako ny ora tokony hanatanterahina izany. «Voatery mivezivezy amin’ny lera tsy tokony ho izy ireo kamiao ary matetika miteraka fanelingelenana ho an’ny fifamoivoizana izany », araka ny fanazavana. Manodidina ny 1 400 m3 hatramin’ny 2 900 m3 isan’andro ny fako taterin’ireo kamiao eo anivon’izy ireo eto an-dRenivohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: