Fampiroboroboana ny fahitsiana : Ho mpampita hafatra mahomby ny tanora

Taorian’ny zaikabem-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny fahitsiana ho an’ny tanora, nokarakarain’ny Ko­mity mitandro ny fahitsiana, na­molavola «Manifeste» mom­­ba ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena sy ny fahafahan’ny tanora mahazo asa ireo nandray anjara. Miaraka amin’ny fanohanan’ny Fikam­banan’ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny Kaon­fe­derasiona Soisy ny hetsika. Anisan’ireo sosokevitra naroson’ny tanora ny hanamafisana ny teny frantsay sy ny ny fanabeazana maha olom-pirenena ary ny fampitomboana ny fahafahana mahazo fiofanana sy asa. Nanolotra sosokevitra ihany koa izy ireo ny hanamafisana ny rafitra fanaraha-maso ny fifaninanana sy ny fandraisana mpiasa ary hampifanarahana ny fiofanana amin’ny filan’ny tsenan’asa. Eo amin’ny lafiny fitantanana sy ny ady amin’ny kolikoly, niresaka momba ny fa­hitsiana eo amin’ny fampianarana ambony, ny fitantanana ara-politika, ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny toeram-pampianarana ary ny fisorohana ny tranga kolikoly ara-nofo izy ireo.
« Amin’ny alalan’ity manifeste ity no hanehoan’ny tanora ny fahavononany handray andraikitra hampihatra ny fitsipiky ny fahitsiana any am-pianarana, arakasa ary amin’ny maha olom-pirenena. Araka izany, lasa mpampita hafatra sy masoivohon’ny fahitsiana eo anivon’ny fiarahamonina misy azy avy izy ireo », hoy ny mpikarakara.

Vonjy

Partager sur: