Tetikasa SHEP : Tohana ho an’ny famokaran’ny tantsaha maro

Tantsoroka ho an’ny tantsaha sy nanavao ny teknikam-pamboleny ny tetikasa “Smallholder Horticole Empowerment and Promotion” (Shep). Tsara ny vokatra ka nahafahany namaly ny filan’ny tsena sy nampitombo ny fidiram-bola.

Tosika ho an’ny tantsaha sy hampitomboina ny vola miditra aminy ny tetikasam-pamokarana mitodika amin’ny tsena na ny Shep. Tanjona ny hitondra teknikam-pambolena vaovao sy hiantohana ny famokarana ka hampitombo ny vola miditra amin’izy ireo. Kendrena ny hampandraisana andraikitra ny tsirairay mba ho matiha­nina sy mpiara-miombona antoka amin’ny fampandrosoana ny fiainan-tokantrano. “Tao anatin’izany, nisitraka fiofanana momba ny fahazoana angom-baovao eny an-tsena ireo tantsaha mba ha­maliana ny filany”, hoy ny tomponandraikitry ny fiofanana eo anivon’ny tetikasa, Ratovo­tsiferana Mami­nirina. Notohi­zany fa niova ny vokatra satria nihatsara ny kalitao azon’ireo tantsaha. Niakatra 1,5 avo heny noho ny teo aloha ny vokatra azo ka nanova ny fisainan’ireo tantsaha sy nandrisika azy hamokatra ha­trany. “Tonga teto aminay ny taona 2025 ny tetikasa. Niha­tsara ny fiainanay tao anatin’ izay raha oharina tamin’ny taon-dasa satria nitombo ary nahafahako namboly karazam-boly samihafa ny tetikasa. Nitombo nanaraka izany koa ny vola miditra ka nahafahanay nanao tahiry”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny tan­tsaha Tanjona, Randrianirina Felix, mponina eny amin’ny kaominina Masindray, distrika Avaradrano.

Mandritra ny enin-taona
Tetikasa ataon’ny Jica, nanomboka ny taona 2023 ka hatramin ny 2028, ny Shep. Anisan’ireo misitraka tetikasa ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Analamanga, Bongolava, Atsinanana ary Matsiatra Ambony. Ankehi­triny, tafakatra 1 800 ireo tan­tsaha efa nahazo fiofanana, tao anatin’izany ireo fikam­banana tantsaha miisa 108 tamin’ireo faritra enina hanaovana ny tetikasa.

Henintsoa

Partager sur: