Orange Madagasikara : Ahodina ho vokatra vaovao ny fako plastika

Manana ny tetikasa « Mia­ra-manamaitso ny tontolo » ao anatin’ny Fandraisana andraikitry ny orinasa (RSE) eo amin’ ny fiarahamonina ny orinasa Orange Madaga­sikara. Natao ny 8 hatramin’ny 10 oktobra, nitohy ny 12 sy 13 oktobra teo, ny hetsika « Tanàna madio miaraka amin’­ny Orange », fanadiovana tanàna sy ny teto amin’ny boriboritany enina eto an-dRenivohitra. Notantera­hina tamin’ny toerana lehibe miisa dimy, ka manodidina ny 1 000 isan’andro ny olona nandray anjara. Namafa lalana, nanadio tatatra sy ny toerana manodidina. Teny Anosy-Ano­sibe-Namontana-Soanie­rana no nodiovina, ny 13 oktobra teo, nahitana mpiasan’ny Orange nanolo-tena maherin’ ny 100. Nandray anjara koa ny mpikambana ao amin’ny Fi­kam­banan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE).
Miara-miombon’antoka amin’ny orinasa sy fikamba­nana maromaro ny Orange amin’­ity hetsika ity. Manodina ho lasa vokatra vaovao azo ampiasaina indray ny fako plastika mafy, ny Andao Com­pany. Havadiky ny Fablab solidaire Mamiratra, tantanin’ ny SOS Village d’enfants, ho ze­zika biolojika ny fako azo ahodina. Miandraikitra ny fako elektrika sy elektronika kosa ny Vohitra Environnement.
Nentanina ny mponina hiova fihetsika sy fisainana, hahay hanavaka ny fako, hampihena ny fandotoana ary ny hanome lanja ny fako ho azo ahodina indray. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Orange Engage for Change, ho an’i Afrika sy Moyen-Orient ny hetsika, manokana telo andro isan-taona hitandroana ny tontolo iainana.

Njaka A.

Partager sur: