VAOVAO TAMBATRA

Nogiazana ireo fitaovana vaventy nitrandrahana vato malakita any Mahaseza Ikalamavony. An’ny teratany sinoa ireo fitaovana ireo, izay tsy manana taratasy fitrandrahana ara-dalàna. Ny alatsinainy 12 oktobra teo no nanatanterahana izany, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraiki-panjakana, notarihin’ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany, faritra Matsiatra Ambony, ny mpitandro filaminana, sns.
Efa harenina ny lalana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena RN32, mampitohy an’Antsohihy sy Befandriana Avaratra. Eo am-pitadiavana famatsiam-bola ihany koa ny fitondrana, amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, hametrahana drafitrasa hotanterahina mandritra ny 5-10 taona. Lalam-pirenena avokoa ny ankamaroan’ireo tetikasa kasaina hatao, ka ao anatin’izany ny lalana mankany Mandritsara sy ny RN31 mankany Analalava.
Tonga tany Sainte Marie, ny 12 oktobra teo, ny fiaramanidina misy laboratoara an’ny Asecna. Iraka hataony ny hanao ny fakana refy (calibration) ny fitaovana sy kojakoja ilaina eny amin’ny seranam-piaramanidina tantanin’ny Adema (Papi, NDB, VOR/DME, balisage éléctrique, VHF, sns). Manodidina ny 400 tapitrisa Ar isan-taona ny vola ampiasaina amin’izany.

Partager sur: