Karate – «Mondial Cadet – Junior»: Resy teo amin’ny fihodinana faharoa i Ornella Irintsoa

Tsy nampitsanga menatra ny zava-bitan’ny karateka malagasy, tany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany sokajy U21. Niady tsy nisy mpanazatra ireo solotena malagasy ka nefa tany amin’ny fihodinana faharoa vao resy teo amin’ny ady “kumite”. Vokatra azon’i Ornella Irintsoa izay nanilika tera-tany Kanaditanina. Hiatrika ny fihetsika mirindra “kata” kosa i Mathieu, anio.

Niakatra “tatami”, ny alarobia teo ny solotena malagasy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja karate sokajy “Cadet” sy “junior”. Fihaona­na, tanterahina any Bielsko-Biala Pologne. Niatrika ny ady “kumite” teo amin’ny sokajin-danja + 68 kg, latsaky ny 21 taona Andriantsivoh Raboanaritompo Ornella Iriantsoa. Nifanintsana tao amin’ny sokajy faharoa, ny tovovavy. Tsara fanombohana satria avy hatrany dia nandresy ilay Kanadianina, i Carlyle-Beyford Indiana izy. Resiny tamin’ny isa mazava 8 no ho 2. “Yuko” 2 sy “Ippon” 2 no nandreseny io mpifanandrina taminy io. Tsy nihafihafy ary mailaka tamin’ny fiantefan’ny daka sy ny totohondry nalefany tany amin’ilay Kanadianina. Niditra teo amin’ny fihodinana faharoa ary nidona tamin’ilay tera-tany Iranianina, i Sedagath Mahla indray i Ornella. Nifarana teo ny diany satria lavo tamin’ny isa 9 no ho 0. Marihina fa tompondaka’i Asie, i Sedagath. “Le­sona ny faharesena rehetra ary mampianatra zavatra maro. Zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’izany fiadiana ny ho tompondaka eran-tany izany na tsy misy mpanazatra aza”, hoy i Ornella taorian’ny fifaninanana nataony. Tsiahi­vina fa nandrombaka ny medaly alimo, tany Alger nandritry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2026 i Ornella izay nahazoany ny tapakila niatrehany ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ity.
Andrasana kosa amin’ity zoma ity, ny an-dRandrianari­vony Ny Hasina Mathieu. Izy indray dia hifaninana eo amin’ny fihetsika mirindra na ny “kata” eo amin’ny sokajy “cadet”. Hifanandrina aminy ao amin’ny vondrona fahatelo, ilay afrikanina tatsimo, i Rijkheer Robert.

Tompondaka

 

Partager sur: