Mifanindry an-dalana amin’ny “Festival Madagaslam 2026”, hotanterahina ny 24 hatramin’ny 28 novambra izao, eto Antananarivo, ny famaranana ny “Slang Freedom250”. Fifaninanana nasionaly eo amin’ny Poetry Slam, karakarain’ny Madagaslam.
Amin’ny teny anglisy ny andiany voalohany amin’ny “Slang Freedom250”, izay sady tafiditra amin’ny faha-250 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia. “Efa nisy tamin’ny teny malagasy sy teny frantsay ny fifaninanana nokarakarain’ny Madagaslam hatramin’izay fa amin’ity no nosafidiana manokana ny teny anglisy satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny US Embassy sy ny American Corner”, hoy ny fanazavan’i Bini Josoa, tomponandraikitra ao amin’ny Madagaslam. Tanjona ny hanangana vondrona Poetry Slam amin’ny teny anglisy, izany hoe, tsy hijanona amin’ny fifaninanana fotsiny.
Fifaninanana nasionaly no hitranga satria faritany telo no handray anjara, ahitana an’i Taolgnaro, Mahajanga ary Antananarivo. Ireo faritra 3 ireo no nosafidiana noho izy ireo ahitana ny American Corner. Efa misy ihany koa any Kaomoro ary mikasa ny hanitatra ny fifaninanana ho an’ny Ranomasimbe indianina ny Madagaslam. Ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny American Corner ka nanaovana ny fifaninanana amin’ny teny anglisy, hampisehoana ny maha izy azy ny Madagaslam ny “Slang Freedom250”, ny amin’ny fahafahana miteny. Homena sehatra ny tanora amin’ity andiany voalohany ity satria natokana ho an’ny 18 hatramin’ny 30 taona ny fifaninanana. Hisy ny atrikasa momba ny Slam poezia amin’io fotoana io, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Tetikasa mikendry ny hampiroborobo ny soatoavina amerikana momba ny fahafahana maneho hevitra amin’ny alalan’ny slam poezia atao amin’ny teny anglisy rahateo ny “Slang Freedom250”.
Ao amin’ny pejy Facebook ny Madagaslam Slamada sy ny an’ireo American Corner isam-paritra no hahafahana mijery ny andinindininy amin’ny fifaninanana, raha ny fanazavana hatrany. Nampahafantarina ofisialy, omaly, teny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ity fifaninanana ity.
Mi.Raz





