Antsirabe: tratra ny andian-jiolahy mitam-piadiana

Tohivakana ny fanafihana mitam-piadiana ao an-tanànan’ Antsirabe. Manoloana izany, nanao hetsika manokana ny polisy hamongorana tanteraka izany. Tratra tamin’ ny ampahany, ny faran’ny herinandro teo, araka izany, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fa­nafihana mitam-piadiana tao Ambala­vato, Ambohimena, Mandani­resaka ary Verezambola sy toerana hafa. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny basy vita tanana fampiasany niaraka tamin’ny bala valo sy ody ratsy maromaro. Hita nandritra ny fisamborana sy ny fisavana trano nataon’ny polisy ny fieren’ireo jiolahy miaraka amin’ireo ampahana entana halatra. Nanamafy hatrany ny polisy fa manao izay ho afany amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy. Nankasitraka ny ezaka sy tolo-tanana avy amin’ny fokonolona tao an-toerana koa izy ireo. Mijano­na ho tsiambaratelo hatrany ny mombamomba ny mpanome vaovao ny mpitandro filaminana ka aza manahy, araka ny nambaran’izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: