Mangataka volabe aman-tapitrisa maro ireo jiolahy mpaka an-keriny tao Morarano chrome . Izany no takalon’ny famotsorana ireo takalon’aina telo eny am-pelatanany.
Taorian’ny fifampiresahana an-telefonina nataon’ireo mpaka an-keriny tamin’ny fianakavian’ireo takalon’aina ao Ambohimanarivo-Morarano chrome. Mitaky vola mitentina 200 tapitrisa Ar ireo jiolahy ho tambin’ny famotsorana azy telo. Vola an-tapitrisa maro mampitolefika an’ireo ankohonan’ireo takalon’aina. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola misy ny olona voarohirohy sy voasambotra tamin’ity asan-jiolahy ity. Mbola manara-dia ny mpitandro filaminana.
Ankoatra izay, nanao diabe manerana ny tanàna ny fianakavian’ireo lasibatra, omaly. Nilanja sora-baventy izy ireo ka nitaky ny hijerena ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana tao anatin’ny fotoana vitsy. Naneho ny halahelony ny havan’ireto natao takalon’aina. Latsa-dranomaso ny renim-pianakaviana iray vao tera-bao noho rangaha vadiny, lasan’ireo jiolahy ka itakiana ilay volabe voalaza etsy ambony. Torak’ izany izy mianadahy, zanak’ilay renim-pianakaviana nalaina an-keriny.
Tsiahivina fa ny zoma tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina no niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ao Ambohimanarivo ireo mpanafika. Sady nandrahona tamin’ny basy no nitady vola. Taorian’izay, nentina avokoa ireo olona efatra tompon-trano. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 20 taona ny iray sy ny zandriny lahy 15 taona. Tao koa ilay raim-pianakaviana iray ary ny lehilahy iray mpiandry ombin’izy ireo. Ora vitsy taorian’io, tafaporitsaka ity farany raha mbola ampelatanan’ny olon-dratsy ireo namany telo hafa.
Henintsoa Hani