Niharan’ny hatezeram-bahoaka rehefa nikasa hanohitra, maty ny jiolahy iray voatondro ho nangalatr’omby tao Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, ny alahady teo. Nitrangana halatr’omby tao amin’io fokontany io. Tsy hita popoka ny omby iray ka nanao fanarahan-dia ny fokonolona. Lohan’omby sisa hitan’izy ireo. Tsy lavitra teo amin’io toerana io, nisava ny tokantrano manodidina ireto mpanara-dia. Kinanjo, sarona tao amin’ny tokantrano roa samihafa ny henan’omby niaraka tamin’ny tongony. Nifanaraka taorin’io ireo fokonolona fa hoentina mihazo ny tobin’ny zandary ilay nangalatra. Nanohitra tampoka ny andrimasom-pokonolona anefa izy. Niakatra ny hatezeran’ny fokonolona ka raikitra ny fikasihan-tanana. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpangalatra.
Nodorana ny trano…
Poa toy izay, nirifatra nandositra ireo olona nipetraka tamin’ny tokantrano nahitana ireo hena. Nopotehin’ ny fokonolona noho ny hatezerany koa ny tranon’io mpangalatra io. Tsy misy hialofana intsony, arak’izany, ny vadiny sy ny zanany dimy. Natsidiky ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa voararan’ny lalàna ny fampiharana ny fitsaram-bahoaka. Mampitandrina ireo dahalo sy jiolahy koa izy ireo satria efa tezitra ny vahoaka amin’izao fotoana.
Tsiferana R.