Fahasalaman’ny saina : “Mila fehezina ny zavatra mitondra amin’ny fiankinandoha”

Tsy mbola manana antontanisa momba ny olona tratran’ny olana ara-tsaina ny eto Madagasikara. Ny zavatra misongadina dia miha tanora ireo tonga manatona toeram-pitsaboana misahana ny fahasalaman’ny saina.

15-30 taona ny maro amin’ny salantao­nan’ireo olona ma­natona ny mpitsabo momba ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny profesora Raharivelo Adeline, neuropsychiatre sady filohan’ny Plateforme santé mentale eto Madagasikara. Tratran’ny “schizophrénie” ireo adolantsento, raha avy amin’ny fandraisana zava-mahadomelina samihafa toy ny toaka, rongony kosa no mi­tarika ny fikorontanana ara-tsaina ho an’ireo tanora. “Ma­tetika tsy fantatr’ireo tanora akory ny vokatry ny fifohana rongony sy ny fisotroana toaka izay azo vidiana eny amin’ny manodidina ny sekoly sy ireo faritra be mpianatra mivezivezy”, hoy ity mpitsabo ity.
Ankoatra ny fisotroana toaka sy ny fandraisana zava-mahadomelina izay mitarika amin’ny olana ara-tsaina,
eo koa ny zavatra mitondra amin’ny fihetsika fiankinandoha, toy ny fampiasana finday tsy miato. Tsy mety amin’ny atidoha fa manavesatra azy ny fikirakirana finday maharitra loatra. Avy ao amin’ny atidoha anefa ny aretin-tsaina ka mila tandremana ny loha. Mila mifehy izany ny rehetra, indrindra ireo ho ray aman-dreny any aoriana, satria ankehitriny lasa fitaovana tsy afa-misaraka amin’ny isam-batan’olona na ny ankizy ma­dinika aza ny finday.
Mbola olana amin’ny fikarakarana ny fahasalaman’ny saina anefa ny isan’ny mpitsabo sy ny fanafody. 11 ny psychiatre am-perinasa, dimy mbola mpianatra mamita “spécialisation”, 63 ny psychologue ary 3 500 travailleurs sociaux.
Ho an’ny toeram-pitsaboana, valo, mandray an-tanana izany, any amin’ny renivohi-paritany avokoa, ankoatra ny any Ambositra.
Miara-miasa amin’ny mpitsabo eny amin’ny toby tantanin’ny loteranina sy ny fiangonana protestante ny mpitsabo avy amin’ny fanjakana ho tombontsoan’ny mponina. Ny fanafody sady lafo ny vidiny ary indraindray tsy misy eny amin’ny farmasia.

Vonjy

Partager sur: