Natolotry ny orinasan’ny Seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), ny faran’ny herinandro teo, ny fotodrafitrasa trano fivoahana sy fidiovana ahitana efitra 12 ka ny telo ho an’ny mpandraharahan’ny oniversité. Ho an’ny mpianatra kosa ny sivy. Fotodrafitrasa natao hahatohitra rivodoza mahery vaika, toa an’i Gezani teo, io fotodrafitra nataon’ny Spat ho an’ny oniversiten’i Barikadimy io. Tsotra ny hafatry ny tale jeneralin’ny Spat, Randriambahoaka Heritiana Anicet, fa dingana ihany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa fa tena zava-dehibe ny fikojakojana azy ho fananana iombonana, hateza ho an’ny taranaka. «Mitotaly 123 ny fotodrafitrasa niharan’ny fahasimbana vokatry ny rivodoza Gezani», hoy kosa ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, profesora Razanakolona Diny. Efa mivonona amin’ny fametrahana komity hitantana ny fampiasana sy fikojakojana ny fotodrafitrasa vao vita ny mpianatra, amin’izao fotoana izao, hoy hatrany izy. Nohamafisiny hatrany fa anatin’ny fanamboarana tanteraka ny oniversité ka anisan’izany ny fanamboaran-dalana mamakivaky ao anatin’ny faritry ny oniversite sy ny manodidina, mirefy efatra km. Efa manangasanga koa ny fahavitan’ny «demi-tonneau» izay niantohan’ny Banky iraisam-pirenena. Santionany amin’ny fotodrafitrasa noraisin’ny Spat an-tanana ity natolotra ity fa mbola betsaka ireo trano fipetrahan’ny mpianatra sy efitrano fianarana, hoy hatrany ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina.
Sajo





